Reboisement 2025 - Soritra 5 ans

ANTELOMITA

Les inscriptions sont fermées
Hamboly isika, ho an’ny taranaka

SORITRA, mankalaza ny faha-5 taona!Ho fanamarihana izany, dia hanatanteraka fambolen-kazo lehibe isika, amin’ny toerana tena mahafinaritra sy kanto tokoa.

Ndeha ho raisintsika an-tanana ny ho avin’ity tany reny malalantsika ity!Iarahamahalala fa may ny ala, simba ny tontolo. Ny fandraisantsika anjara amin’ny fambolen-kazo dia zana-tohatra izay hamerina ny nosintsika ho maintso indray.

 Asaina isika rehetra na iza na iza ianao ka mahatsiaro manana adidy amin’ity tanintsika ity :Na fikambanana ianao, na orinasa, na fianakaviana, na fiangonana, na mpifankatia, na mpanjifa tato aminay, dia afaka mandray anjara avokoa.

 Zava-dehibe ny fahatongavanao!Tsara ny manamarika fa ny hazo izay volentsika dia hisy teknisianina sy vondron’olona hifotony hanaramaso sy hikarakara mandrapa lehibe, ho apetraka ihany koa ny fiarovana rehetra hialana amin’ny mety ho fahamaizana.


 Toerana :Avaratry ny Centrale Électrique Antelomita, hisy dia an-tongotra 500 metatra eo ho eo.

Aza adinoina ny Satroka sy rano ary sakafo sahaza anao.

 Daty : Sabotsy 15 Febroary 2025

 Ora : Manomboka amin’ny 6 ora maraina - parking HJRA Anosy.

 Fitaterana :

Iraisana : 16 000 Ar / olona

Manokana : 5 000 Ar / olona

Anio isika mamboly, ampitso isika hiaina rivotra madio!

Date et heure
samedi février 15, 2025
06:0016:00 (Indian/Antananarivo)
Lieu

Antelomita

--Antelomita--
--Antelomita--
Obtenez la direction
Organisé par

Soritra

0347232511
contact@soritra.mg
PARTAGER

Découvrez ce que les gens voient et disent à propos de cet événement et rejoignez la conversation.